Psalms 99

Fanomezam-boninahitra an’ Andriamanitra noho ny fahalehibiazany sy ny fahamarinany

1Jehovah no Mpanjaka aoka hangovitra ny firenena; Mipetraka amin’ ny kerobima Izy, aoka hihorohoro ny tany. 2Lehibe any Ziona Jehovah; Ary avo ambonin’ ny firenena rehetra Izy. 3Aoka hidera ny anaranao lehibe sy mahatahotra ireo; Fa masìna Jehovah. 4Ny herin’ ny mpanjaka dia tia rariny; Ampitoerinao ny fahitsiana; Fitsarana sy fahamarinana no ataonao eo amin’ i Jakoba. 5Manandrata an’ i Jehovah Andriamanitsika ianareo, Ka miankohofa eo amin’ ny fitoeran-tongony; Fa masìna Izy. 6Mosesy sy Arona tamin’ ny mpisorony, Ary Samoela tamin’ izay mpiantso ny anarany, Niantso an’ i Jehovah ireo, ary namaly: azy Izy. 7Niteny taminy tao anatin’ ny andri-rahona Izy; Nitandrina ny teni-vavolombelony izy ireo, Dia ny didy izay efa nomeny azy. 8Jehovah Andriamanitray ô, Hianao no namaly ny nataony; Andriamanitra, Mpamela ny helony, Hianao, Na dia namaly azy noho ny nataony aza. 9Asandrato Jehovah Andriamanitsika, Ary miankohofa eo an-tendrombohiny masìna; Fa masìna Jehovah Andriamanitsika.
Copyright information for Mg1865